Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, - fa taranaka mpiodina izy - dia hahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.
Matio 11:14 - Baiboly Katolika ary raha mety mino ianareo, dia izy no ilay Elia ho avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha mety mandray ianareo dia izy no ilay Elia izay ho avy. DIEM PROTESTANTA Ary raha mety mandray ianareo, dia i Jôhany no Elià voalaza fa ho avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary raha mety mandray ianareo, dia i Jôhany no Elià voalaza fa ho avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha mety mandray hianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy. Malagasy Bible Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy. La Bible en Malgache Ary raha mety mandray ianareo dia izy no ilay Elia izay ho avy. |
Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, - fa taranaka mpiodina izy - dia hahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.
Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.
dia hialoha azy amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny olo-marina, hamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.»
Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery, satria tsy mbola nahazaka izany ianareo, sady tsy mbola mahazaka ankehitriny aza, noho ianareo mbola ara-batana.
Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan’olona nahazo fahefana hitsara, sy nahita ny fanahin’ireo notapahin-doha noho ny fanambaràn’ireo sy noho ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny an’ireo tsy nivavaka tamin’ny Biby na tamin’ny sariny, sy tsy nandray ny mariny na tamin’ny handriny, na tamin’ny tanany, fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin’i Kristy.