Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 10:8 - Baiboly Katolika

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Sitrano ny marary, atsangano ho velona ny maty, diovy ny marary hoditra, roahy ny demony; nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Sitrano ny marary, atsangano ho velona ny maty, diovy ny marary hoditra, roahy ny demony; nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia*; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Jereo ny toko



Matio 10:8
15 Rohy Ifampitohizana  

Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono.


Ianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin’ny zavatra rehetra momba ny ôtely, mbamin’izay rehetra ao anatin’ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty.»


Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.


Ary raha mandeha ianareo mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.


Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehikibonareo,


handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.»


ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.


Fa hoy i Piera: «Tsy manam-bolafotsy na volamena aho; fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mamindrà.»


sady ahinjiro ny tananao mba hisy fahasitranana sy famantarana ary fahagagana tanteraka amin’ny Anaran’i Jesoa Mpanomponao masina.