Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 10:36 - Baiboly Katolika

ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony (Mik 7.6).

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

koa ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

koa ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7.6).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6).

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony (Mik 7.6).

Jereo ny toko



Matio 10:36
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»


Ary hoy i Davida tamin’i Abisaia sy ny mpanompony rehetra: «He, ny zanako naloaky ny kiboko aza ity mitady ny aiko; ka mainka fa io zana-Benjamina io! Avelao izy hanozona, fa didin’i Iaveh taminy izany.


«Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjò azy, indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony.


Fa tsy mba hoe fahavalo akory no manaratsy ahy; raha izany dia zakako ihany; tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy; raha izany, hiery azy aho.


Hamporisika an’i Ejipta hamely an’i Ejipta Aho, ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin’ny rahalahy, ary ny sakaiza amin’ny sakaiza, ny tanàna amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.


Fa na rahalahinao amam-pianakavian-drainao aza, mamadika anao; ireny aza miantsoantso mafy avy eo aorianao; aza mino azy, na manao teny malefaka aminao aza izy.


Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, andeha hotorintsika izy! Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika.


Fa ny zanaka lahy manao amin-drainy hoe adala; ny zanaka vavy mitsangan-kanohitra ny reniny; ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-bavy; samy manana ho fahavalony ny olona amin’ny ankohonany ihany.


Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny rainy aman-dreniny ka hamono azy;


Fa hoy i Piera taminy: «Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao.» Ka hoy i Jesoa namaly azy: «Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.»


Nirehitra tamin’i Davida ny fahatezeran’i Eliaba zokiny lahimatoa, nony nandre azy niteny tamin’ireo olona ireo izy, ka hoy izy: «Fa inona moa no nidinanao atỳ? Ary iza no namelanao ireny ondry vitsy ireny, any an’efitra? Fantatro moa raha ny avonavonao sy ny haratsiam-ponao, ny hizaha ny ady fotsiny no nidinanao tatỳ!»