Matio 10:32 - Baiboly Katolika Ary amin’izany izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra. DIEM PROTESTANTA –Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra. Malagasy Bible Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. La Bible en Malgache Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra. |
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.»
Ny ray aman-dreniny no nilaza izany, dia noho izy natahotra ny Jody, satria efa nifanaiky ny Jody fa horoahina amin’ny sinagoga izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy,
Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra,
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Fantatro ny itoeranao, dia eo amin’ny misy ny seza fiandrianan’i Satana; nefa mitana mafy ny Anarako ianao, ka tsy nandà ny finoana Ahy na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky Ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin’izay onenan’i Satana.
Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.
Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.