Dia hoy izy: «Aoka hantsoin’ny mpanjaka i Iaveh Andriamanitrao, mba tsy hampitomboan’ny mpamaly ra ny loza, ka tsy hamonoany ny zanakao!» Hoy ny navaliny: «Toy ny maha-velona an’i Iaveh, dia tsy hisy hihintsana amin’ny tany ny volon-dohan’ny zanakao, na iray aza.»
Dia hoy i Salômôna: «Raha miseho ho lehilahy mahery izy, dia tsy hisy latsaka amin’ny tany na dia singam-bolony iray aza, fa raha misy heloka hita aminy kosa, dia ho faty izy.»
Koa mamporisika anareo hihinan-kanina aho, fa ilaina hamonjena anareo izany; ary tsy ho very aminareo rehetra, na dia ny singam-bolonareo iray akory aza.»
Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saola: «I Jônatasy izay nanao izao famonjen-dehibe izao tamin’i Israely indray ve no ho faty è! Sanatria izany! Raha velona koa i Iaveh tsy hisy latsaka amin’ny tany, na dia ny singam-bolondohany iray akory aza; fa ny nataony androany dia niarahany tamin’Andriamanitra.» Toy izany no namonjen’ny vahoaka an’i Jônatasy, ka tsy maty izy.