Ianao moa, hanatitra ireo, eo anatrehan’i Iaveh; ny mpisorona kosa handraraka sira aminy, sy hanolotra azy ho sorona dorana amin’i Iaveh.
Marka 9:49 - Baiboly Katolika «Tsara ny fanasina: fa rehefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa samy hosedraina amin’ny afo izy rehetra, ary ny fanatitra rehetra dia samy hosedraina amin’ny fanasina. DIEM PROTESTANTA Eny, hodiovina amin’ny alalan’ny afo avokoa ny olona rehetra tahaka ny anadiovana ny sorona rehetra amin’ny alalan’ny sira. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, hodiovina amin’ny alalan’ny afo avokoa ny olona rehetra tahaka ny anadiovana ny sorona rehetra amin’ny alalan’ny sira. Baiboly Protestanta Malagasy Fa samy ho voasira amin’ny afo izy rehetra. Malagasy Bible Fa samy ho voasira amin'ny afo izy rehetra. La Bible en Malgache Fa samy hosedraina amin’ny afo izy rehetra, ary ny fanatitra rehetra dia samy hosedraina amin’ny fanasina. |
Ianao moa, hanatitra ireo, eo anatrehan’i Iaveh; ny mpisorona kosa handraraka sira aminy, sy hanolotra azy ho sorona dorana amin’i Iaveh.
Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran’ny fanekem-pihavanan’ny Andriamanitrao ny fanatitrao: hanolotra sira ao amin’ny fanatitrao rehetra ianao.»
Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.