Nangovitra ny mpanota ao Siôna, ary raiki-tahotra ny mankahala fihavanana, nanao hoe; «Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona? iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay?»
Marka 9:44 - Baiboly Katolika Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty. DIEM PROTESTANTA Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»] Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»] La Bible en Malgache any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty. |
Nangovitra ny mpanota ao Siôna, ary raiki-tahotra ny mankahala fihavanana, nanao hoe; «Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona? iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay?»
Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.
Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»
Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny Tavan’ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an’ireny,
dia izy no hisotro ny divain’ny fahaviniran’Andriamanitra, izay naidina ao amin’ny kapoaky ny fahatezerany tsy misy famahony; sady hampijalin’ny afo aman-tsolifara eo anatrehan’ny Anjely masina sy ny Zanak’ondry.
itoeran’ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, sy hijalian’izy ireo andro aman’alina mandrakizay mandrakizay.
Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»