Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin’ireny jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan’i Elisea ny fatiny. Fa vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisea ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin’ny tongony.
Marka 6:56 - Baiboly Katolika Na taiza na taiza nalehany, na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tao amin’ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, ary ny olona dia nangataka hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza. Ary sitrana izay rehetra nikasika Azy. DIEM PROTESTANTA Ary tany amin’ny toerana rehetra nalehan’i Jesoa, na tanàna kely na tanàn-dehibe na ambanivohitra, dia teny amin’ny kianja no nametrahana ny marary; ary dia niangavian’ny olona i Jesoa mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany fotsiny ihany aza; ary izay rehetra nikasika Azy dia sitrana avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary tany amin’ny toerana rehetra nalehan’i Jesoa, na tanàna kely na tanàn-dehibe na ambanivohitra, dia teny amin’ny kianja no nametrahana ny marary; ary dia niangavian’ny olona i Jesoa mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany fotsiny ihany aza; ary izay rehetra nikasika Azy dia sitrana avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tao amin’ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy. Malagasy Bible Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy. La Bible en Malgache Ary na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tao amin’ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, ary ny olona dia nangataka hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza. Ary sitrana izay rehetra nikasika Azy. |
Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin’ireny jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan’i Elisea ny fatiny. Fa vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisea ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin’ny tongony.
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny morontongotr’akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.
Ary indro nisy vehivavy nitsi-dra nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony;
Fa nahasitrana olona betsaka Izy, ka nifanesika hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.
ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana ho any amin’izay reny fa misy Azy.
Fa hoy i Jesoa: «Aoka izay» Dia nanendry ny sofin-dralehilahy Izy, ka nahasitrana azy.
ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
nanatona avy ao ivohony, dia nanendry ny morontongotr’akanjony, ka nijanona niaraka tamin’izay ny fitsìhany.
ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»
raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio,
ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Piera ahay, raha mandalo izy.