Ary hoy i Jesoa taminy: «Manana mofo firy ianareo?» «Fito» hoy ireo taminy sy «hazandrano madinika vitsy foana.»
Marka 6:38 - Baiboly Katolika Ary hoy Izy taminy: «Manana mofo firy ianareo? Mandehana hoe zahao.» Ary rehefa nozahàny, dia hoy izy: «Mofo dimy sy hazandrano roa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy Izy tamin’izy ireo: Misy mofo firy any aminareo? Andeha hoe jereo. Ary rehefa fantatra ny isany dia hoy izy ireo: Dimy sy hazandrano roa. DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Jesoa taminy: –Misy mofo firy any aminareo? Ndeha hoe jereo. Ka nony fantatry ny mpianany, dia hoy ireo hoe: –Mofo dimy, ary koa trondro roa! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Jesoa taminy: –Misy mofo firy any aminareo? Ndeha hoe jereo. Ka nony fantatry ny mpianany, dia hoy ireo hoe: –Mofo dimy, ary koa trondro roa! Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa. Malagasy Bible Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa. La Bible en Malgache Hoy Izy tamin’izy ireo: Misy mofo firy any aminareo? Andeha hoe jereo. Ary rehefa fantatra ny isany dia hoy izy ireo: Dimy sy hazandrano roa. |
Ary hoy i Jesoa taminy: «Manana mofo firy ianareo?» «Fito» hoy ireo taminy sy «hazandrano madinika vitsy foana.»
Fa izao no navaliny azy ireo: «Omeonareo hanina izy,» ka hoy ireo taminy: «Handeha hividy mofon-denie roan-jato va izahay ka homenay azy hohaniny?»
Dia nasainy napetraka ny olona rehetra hatao mitsitokotoko eny amin’ny ahi-maitso izy ireo;
Fa hoy Izy taminy: «Omeonareo hanina izy.» Dia namaly ireo nanao hoe: «Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay mba hisy hohanin’ireo vahoaka be ireo.»
«Misy zazalahy anankiray manana mofo orja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?»