Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy. Hoy Izy hoe: «Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
Marka 4:33 - Baiboly Katolika Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary fanoharana maro toy izany no nanambaràny ny teny tamin’izy ireo, araka izay azony nohenoina. DIEM PROTESTANTA Dia fanoharana maro tahatahaka izany no nanambaràn’i Jesoa ny tenin’Andriamanitra tamin’ny olona, araka izay mety ho takatry ny sain’ny mpihaino. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia fanoharana maro tahatahaka izany no nanambaràn’i Jesoa ny tenin’Andriamanitra tamin’ny olona, araka izay mety ho takatry ny sain’ny mpihaino. Baiboly Protestanta Malagasy Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina. Malagasy Bible Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina. La Bible en Malgache Ary fanoharana maro toy izany no nanambaràny ny teny tamin’izy ireo, araka izay azony nohenoina. |
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy. Hoy Izy hoe: «Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
fa tonga lehibe indrindra amin’ny ànana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina ialofana ny alokalony.»
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.