Marka 4:20 - Baiboly Katolika Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany zato heny.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ireto kosa ireo voafafy teny amin’ny tany lonaka, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: Ny iray dia manome voa telopolo, ny iray dia enimpolo ary ny iray dia zato. DIEM PROTESTANTA Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. Malagasy Bible Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. La Bible en Malgache Ary ireto kosa ireo voafafy teny amin’ny tany lonaka, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: Ny iray dia manome voa telopolo, ny iray dia enimpolo ary ny iray dia zato. |
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny ary ny sasany telopolo heny.
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo.
Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia naniry sy nitombo ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enimpolo heny, ny sasany avo zato heny.»
Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.› »
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
Toy izany koa ianareo, ry havako malala, maty ny amin’ny Lalàna noho ny Tenan’i Jesoa Kristy ianareo, mba ho vadin’ny hafa, dia Ilay nitsangan-ko velona, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra.
ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
Farany, ry kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra, sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Fa raha manana avokoa ireo zavatra ireo ianareo, sady manam-be, dia tsy havelan’ireo ho malaina na tsy hahavokatra ho amin’ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tompontsika.