Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 15:27 - Baiboly Katolika

Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana; ny anankiray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy jiolahy roa nohomboin’izy ireo niaraka Taminy tamin’ny hazofijaliana, ny iray dia teo ankavanany ary ny iray dia teo ankaviany

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin’ny hazofijaliana koa, ny anankiray teo amin’ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ny ankaviany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy jiolahy roa nohomboin’izy ireo niaraka Taminy tamin’ny hazofijaliana, ny iray dia teo ankavanany ary ny iray dia teo ankaviany

Jereo ny toko



Marka 15:27
6 Rohy Ifampitohizana  

Nisy jiolahy roa niara-nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany.


Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN’NY JODY.


ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao isan’ny ratsy fanahy Izy.»


Aoka i Kristy mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.» Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.


Teo no namantsihany Azy tamin’ny hazofijaliana, niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa, fa i Jesoa teo afovoany.