Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:50 - Baiboly Katolika

Dia nandao Azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.

Jereo ny toko



Marka 14:50
11 Rohy Ifampitohizana  

Ny foko miemponempona, ny heriko nandao ahy; ary ny fahiratan’ny masoko aza tsy ato amiko intsony.


Tahaka ny rano tondraka, dia manodidina ahy tontolo andro izany, miara-mitangorona amiko avokoa izany.


Nanosy irery teo amin’ny famiazam-boaloboka aho, fa tsy nisy na dia iray aza niaraka tamiko, ny avy amin’ny firenena. Dia nanosy azy ireo aho, nentin’ny hatezerako, ary nanitsakitsaka azy aho nentin’ny fahavinirako; nipitika tamin’ny akanjoko ny ranony, ka voalotoko avokoa ny fitafiako.


Ary hoy i Jesoa taminy: «Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina; fa efa voasoratra hoe: ‹Hokapohina ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry›;


Teo aminareo isan’andro Aho, nampianatra teo amin’ny Tempoly, kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan’ny Soratra Masina,»


Ary nisy tovolahy anankiray nanaraka Azy, lamba fotsiny no teny an-kodiny, nosamborin’ireo koa;


Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray.


Ka novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.»


Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!