Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 11:28 - Baiboly Katolika

ka nilaza taminy hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka niteny Taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany ka anaovanao izao zavatra izao?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ireo taminy: –Fahefana ahoana moa no anaovanao an’izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany, ka ahazoanao manao an’izao?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ireo taminy: –Fahefana ahoana moa no anaovanao an’izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany, ka ahazoanao manao an’izao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka niteny Taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany ka anaovanao izao zavatra izao?

Jereo ny toko



Marka 11:28
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny navalin-dralehilahy: «Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejiptianina?» Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy: «Misy mahalala tokoa ilay zavatra.»


Tsy ampy va ny namoahanao anay tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an’efitra, no dia manangan-tena ho lehibenay koa ianareo?


Nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aoka izay fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan’izy ireo i Iaveh. Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Iaveh?»


Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia, teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,


Dia hoy i Jesoa taminy: «Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.


Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva ianareo; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.