Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.
Marka 11:27 - Baiboly Katolika Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia, teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo; ary raha nitsangantsangana tao amin’ny tempoly Jesosy dia nanatona Azy ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona DIEM PROTESTANTA Dia tonga tao Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary nandehandeha teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa no nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna ary ny loholona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia tonga tao Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary nandehandeha teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa no nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna ary ny loholona. Baiboly Protestanta Malagasy ARY tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangatsangana teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona Malagasy Bible Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona La Bible en Malgache Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo; ary raha nitsangantsangana tao amin’ny tempoly Jesosy dia nanatona Azy ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna* ary ny loholona |
Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.
ka nilaza taminy hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?»
Rehefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima, dia nitady hisambotra am-pitaka an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy;
ka hoy i Jesoa namaly azy: «Niteny ampahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona;