Marka 11:12 - Baiboly Katolika Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony ampitson’iny, rehefa niala tany Betania Jesosy, dia nahatsiaro noana. DIEM PROTESTANTA Ny ampitson’iny, raha niala tao Betania i Jesoa sy ny mpianany, dia nahatsiaro noana i Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny ampitson’iny, raha niala tao Betania i Jesoa sy ny mpianany, dia nahatsiaro noana i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nony ampitson’iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy. Malagasy Bible Ary nony ampitson'iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy. La Bible en Malgache Nony ampitson’iny, rehefa niala tany Betania Jesosy, dia nahatsiaro noana. |
ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay.
Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo, dia hitan’ny mpianany fa maina hatramin’ny fotony ilay aviavy.
sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany.
Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy Izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: «Mangetaheta aho.»
Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;