Malakia 3:19 - Baiboly Katolika Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy. Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo, ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy i Iavehn’ny tafika, ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary ka handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka tsy hasiany miangana, na ny fotony na ny sampany. DIEM PROTESTANTA Fa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Indro avy ilay andro ka mandoro tahaka ny fatana mivaivay. Amin’io andro io ny mpirehaka sy ny mpanao ratsy dia hodorana avokoa toy ny vodivary, ka tsy hisy miangana na ny fakany na ny sampany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Indro avy ilay andro ka mandoro tahaka ny fatana mivaivay. Amin’io andro io ny mpirehaka sy ny mpanao ratsy dia hodorana avokoa toy ny vodivary, ka tsy hisy miangana na ny fakany na ny sampany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fàkany na ny sampany. La Bible en Malgache Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary ka handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka tsy hasiany miangana, na ny fotony na ny sampany. |