Fa hoy izy tamin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay Ianao! Fa inona moa no hain’ny Tsitoha atao aminay.›
Malakia 3:14 - Baiboly Katolika Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’i Iavehn’ny tafika? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny nitenenanareo hoe: Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; inona moa no soa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao? DIEM PROTESTANTA Izao no nolazainareo: ‹Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan’ny TOMPOn’izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no nolazainareo: ‹Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan’ny TOMPOn’izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’ny nanaovanareo hoe: Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’i Jehovah, Tompon’ny maro. Malagasy Bible Tamin'ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin'ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro. La Bible en Malgache Tamin’ny nitenenanareo hoe: Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; inona moa no soa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao? |
Fa hoy izy tamin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay Ianao! Fa inona moa no hain’ny Tsitoha atao aminay.›
Satria izao no lazainy: ‹Tsy misy asany amin’ny olombelona akory ny mitady fitia amin’Andriamanitra.›
Fa hoy ianao: ‹Mampaninona ahy moa izay tsy fananako tsiny? Inona no soa azoko mihoatra noho ny raha nanota aho?›
Kanefa, ry Jakôba ô, tsy mba niantso Ahy ianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely.
«Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany, sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany?» Amin’ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo; ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra.
Izy ireo anefa manao hoe: ‹Tsinontsinona izany! Izahay dia hanaraka ny hevitray ihany, sy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy ihany.› »
Tandremo mba tsy hiala kapa ny tongotrao, ary mba tsy ho maina ny tendanao! Nefa hoy ianao: ‹Tsy hisy antony tsinona! Tsia, fa ny hafa tiako, ka hanaraka an’ireny aho!›
Fa hatramin’ny nitsaharanay tsy nanatitra emboka manitra ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra sy tsy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy, vao tsy nanana na inona na inona izahay, sady levon’ny sabatra ama-mosary.
Mitodika izy, fa tsy ho any amin’ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon’ny sabatra ny mpifehy azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsàny azy izany any amin’ny tany Ejipta.
Na ankehitriny aza anefa, - teny marin’i Iaveh, - miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.
Izao no hatao amin’izany andro izany: Hokarohiko amin’ny fanala i Jerosalema, ka hofaizako ny olona mandry mifetaka amin’ny faikany, izay manao anakampo hoe: Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy i Iaveh!
Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy i Iaveh. Ary hoy ianareo: Inona no resakay momba Anao? Izao no nolazainareo:
Fantaro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania. Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo, ary hody alahelo ny hafalianareo.