mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh izay nandidiany an’i Israely.
Levitikosy 9:17 - Baiboly Katolika Ary natolony ny fanatitra; nakany eran-tanana ila, nodorany ambonin’ny ôtely fanampin’ny sorona dorana masina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Noentiny nanatona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ka nakany eran’ny tanana ila dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina. DIEM PROTESTANTA Avy eo dia natolony ny fanatitra lafarinina ka nangalany eran-tanan’ila izay nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ankoatra ny sorona dorana manontolo fanolotra isa-maraina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia natolony ny fanatitra lafarinina ka nangalany eran-tanan’ila izay nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ankoatra ny sorona dorana manontolo fanolotra isa-maraina. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana maraina. Malagasy Bible Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina. La Bible en Malgache Noentiny nanatona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ka nakany eran’ny tanana ila dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina. |
mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh izay nandidiany an’i Israely.
Fa indro aho manangana trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, izay hohamasiniko ho Azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona dorana ny maraina sy ny hariva, sy amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fetin’i Iaveh Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin’i Israely mandrakizay.
Hodoran’ny zanak’i Aarôna izany hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin’ny afo. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»
Nony mby amin’ny andro fahavalo, nampanalain’i Môizy i Aarôna sy ny zanany ary ny loholon’i Israely,
Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: «Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?»
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.