Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 8:29 - Baiboly Katolika

Dia nalain’i Môizy ny tratran’ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan’i Iaveh; io no anjaran’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nalain’i Mosesy koa ny tratran’ilay ondry ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Anjaran’i Mosesy avy amin’ny ondrilahy fanokanana io, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nalain’i Mosesy koa ny tratran’ilay ondrilahy ary natolony tamin’ny TOMPO ka nahevahevany teo anatrehany no fomba fanolotra azy: anjaran’i Mosesy, avy amin’ilay ondrilahy nanaovana ny sorona fanokanana, io tratran-kena io araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nalain’i Mosesy koa ny tratran’ilay ondrilahy ary natolony tamin’ny TOMPO ka nahevahevany teo anatrehany no fomba fanolotra azy: anjaran’i Mosesy, avy amin’ilay ondrilahy nanaovana ny sorona fanokanana, io tratran-kena io araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nalain’i Mosesy koa ny tratran’ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Jehovah; anjaran’i Mosesy avy amin’ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian’i Jehovah azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nalain'i Mosesy koa ny tratran'ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; anjaran'i Mosesy avy amin'ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nalain’i Mosesy koa ny tratran’ilay ondry ka nataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Anjaran’i Mosesy avy amin’ny ondrilahy fanokanana io, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.

Jereo ny toko



Levitikosy 8:29
6 Rohy Ifampitohizana  

I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony, ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany, dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.


Ny rahalahinao rehetra dia naverin’izy ireo, avy amin’ny firenena rehetra, ho fanatitra ho an’i Iaveh; haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana, mitaingina mole aman-drameva, ho ao amin’ny tendrombohitro masina, ho any Jerosalema, hoy i Iaveh, toy ny itondran’ny zanak’i Israely ny fanatitra ao anaty lovia, any an-tranon’i Iaveh.


Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.


Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amen.