Ary halainao ny tratran’ny ondralahy izay nenti-nanokanana an’i Aarôna, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh: io no ho anjaranao.
Levitikosy 7:31 - Baiboly Katolika ny sabora hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely; ary ny tratrany dia ho an’i Aarôna mbamin’ny zanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ny jaboran’ny fanatiny, fa ny tratrany kosa dia ho an’i Arona sy ireo zanany. DIEM PROTESTANTA Hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny alitara ny tavin-kena; fa ny tratrany kosa dia ho an’i Aharôna sy ireo taranany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny alitara ny tavin-kena; fa ny tratrany kosa dia ho an’i Aharôna sy ireo taranany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an’i Arona sy ireo zanany. Malagasy Bible Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo zanany. La Bible en Malgache Hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ny jaboran’ny fanatiny, fa ny tratrany kosa dia ho an’i Arona sy ireo zanany. |
Ary halainao ny tratran’ny ondralahy izay nenti-nanokanana an’i Aarôna, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh: io no ho anjaranao.
Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo, ho fofona ankasitrahina izany. An’i Iaveh ny sabora rehetra.
Hodoran’ny zanak’i Aarôna izany hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin’ny afo. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»
Toy izany no hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho an’izany olona izany, noho ny ota nataony amin’ny iray amin’ireny zavatra ireny; dia ho voavela ny otany. Izay sisa dia ho an’ny mpisorona, toy ny amin’ny fanatitra.
Fa efa natokako avy amin’ny sorom-pihavanan’ny zanak’i Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotra ho an’i Aarôna sy ny zanany ho anjara asain-kaloan’ny zanak’i Israely ho azy hatrany hatrany.
Dia nalain’i Môizy ny tratran’ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan’i Iaveh; io no anjaran’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Izao koa no ho anao: ny zavatra rehetra voaavaka amin’ny fanomezany, dia amin’ny fanatitra ahevaheva rehetra avy amin’ny zanak’i Israely, omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao ho lalàna mandrakizay; na iza na iza madio ao an-tranonao, dia hihinana amin’izany avokoa.
Tsy fantatrareo va fa izay manao ny raharaha masina dia mivelona amin’ny zavatry ny Tempoly, ary izay manompo ao amin’ny ôtely, dia miombona amin’ny ôtely?
Izao no anjaran’ny mpisorona avy amin’ny vahoaka amin’izay misorona omby na ondry: omena ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony ary ny vavoniny.