Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»
Levitikosy 7:25 - Baiboly Katolika Fa na zovy na zovy no mihinana saboram-biby izay aterina amin’i Iaveh hatao sorona amin’ny afo, dia hofongorana amin’ny fireneny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay rehetra mihinana jaboran’ny biby fiompy, izay fanao fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny. DIEM PROTESTANTA Fa izay rehetra mihinana ny tavin-kenam-biby, natao hatolotra ho sorona levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izay rehetra mihinana ny tavin-kenam-biby, natao hatolotra ho sorona levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay rehetra mihinana saboran’ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. Malagasy Bible Fa izay rehetra mihinana saboran'ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. La Bible en Malgache Fa izay rehetra mihinana jaboran’ny biby fiompy, izay fanao fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny. |
Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»
Raha efa izany hoesorinao eo an-tanany ireo ka hodoranao eo ambony ôtely, ambonin’ny sorona dorana, ho hanitra ankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh: sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.
Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.»
Fa izay ao anatin’ny fahalotoana kosa, raha mihinana amin’ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.
Ary izay nikasi-java-maloto, na loton’olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, raha mihinana amin’ny henan’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona izany.
Ny saboram-biby maty ho azy na voaviravira, dia azo anaovan-javatra hafa ihany, fa tsy azonareo hanina velively.