Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an’ny ôtely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny ôtely, ary ho masina avokoa izay mikasika ny ôtely.»
Levitikosy 6:17 - Baiboly Katolika Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: DIEM PROTESTANTA Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Malagasy Bible Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: La Bible en Malgache Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: |
Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an’ny ôtely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny ôtely, ary ho masina avokoa izay mikasika ny ôtely.»
Hanosotra ny ôtely fanaovan-tsorona dorana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ianao, hanamasina ny ôtely, dia ho masina indrindra ny ôtely.
Ary hoy i Môizy nanadina ny amin’ny osy lahy natao sorona noho ny ota, ka indro efa voadotra izany; ka tezitra tamin’i Eleazara sy i Itamara hany sisa zanaka lahin’i Aarôna izy, sy nanao tamin’izy ireo hoe:
«Ny fanatitra rehetra aterinao ho an’i Iaveh dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh rehefa zavatra misy lalivay na tantely.
Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no hihinana amin’izany, ka eo amin’ny toerana masina no hihinanany azy; zava-masina dia masina izany.»
«Sahala amin’ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana; iray ny lalàna amin’izy roa: an’izay mpisorona manao ny fisoronana ny sorona.