Levitikosy 5:21 - Baiboly Katolika Raha misy olona manota, sy manao ny tsy marina amin’i Iaveh, fa mandainga amin’ny namana izy ny amin’ny zavatra napetraka taminy, na amin’ny zavatra natao eo an-tanany ho antoka, na amin’ny zavatra nangalariny, na amin’ny zavatra nalainy an-keriny tamin’ny namana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’NY TOMPO fa mandainga amin’ny namany ny amin’izay zavatra nampitahirizina azy, na amin’ny zavatra notanany ho antoka, na amin’izay nalainy an-keriny, na nampahory ny namany, DIEM PROTESTANTA «Mety misy olona manota ka diso tamin’ny TOMPO satria mandainga amin’ny namany momba ny zavatra nampitahirizina azy, na zavatra nindraminy, na zavatra nangalariny, na zavatra nalainy an-keriny, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Mety misy olona manota ka diso tamin’ny TOMPO satria mandainga amin’ny namany momba ny zavatra nampitahirizina azy, na zavatra nindraminy, na zavatra nangalariny, na zavatra nalainy an-keriny, Baiboly Protestanta Malagasy Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’i Jehovah, fa mandainga amin’ny namany ny amin’izay nampitehirizina azy, na amin’ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin’izay nalainy an-keriny, na efa nampahory ny namany, La Bible en Malgache Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’NY TOMPO fa mandainga amin’ny namany ny amin’izay zavatra nampitahirizina azy, na amin’ny zavatra notanany ho antoka, na amin’izay nalainy an-keriny, na nampahory ny namany, |