Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 4:19 - Baiboly Katolika

Raha efa izany, halaina daholo ny saboran’ny vantotr’ombalahy, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hesoriny ny jaborany rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Halainy avokoa ny tavin-kenan’ilay ombilahy, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Halainy avokoa ny tavin-kenan’ilay ombilahy, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hesoriny ny jaborany rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko



Levitikosy 4:19
12 Rohy Ifampitohizana  

Asanasanany amiko ny vavany; mova izy tsy ny liona mamiravira sy mierona iny.


Raha tsy manan-kamidy ny zanak’ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho azy, dia hadio izy.»


Izay diloilo sisa mbola eo an-tanany kosa, dia hataony amin’ny lohan’ilay midio, ary hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ny mpisorona.


Raha efa izany, hodorany daholo eo ambonin’ny ôtely ny sabora, toy ny fandoroany ny sabora amin’ny sorom-pihavanana. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ny fahotana ho azy, dia ho voavela ny otany.


Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.


Dia halàny daholo ny sabora toy ny fanalana ny saboran’ny zanak’ondry amin’ny sorom-pihavanana dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.


ary hitondra ho an’i Iaveh ho fanonerana noho ny ota nataony, ny vavy iray amin’ny biby fiompy madinika, na ondry na osy, hatao sorona noho ny fahotany, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny otany.


Izao no lalàna momba ny fanatitra: Hatolotr’ireo zanak’i Aarôna eo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely izy.


Dia hanao ny fanonerana ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra ny mpisorona, ka havela ny helony, satria ota vita tsy nahy izany sady efa nanolotra ny fanatiny izy, dia ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh sy ny sorona noho ny ota, eo anatrehan’i Iaveh, noho ny ota nataony tsy nahy.


Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.


mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!