Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy, fa atsatsika amin’ny afo daholo, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.
Levitikosy 3:14 - Baiboly Katolika Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, amin’ny sorona, dia ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miray amin’ny tsinainy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy amin’io no hanaterany ny fanatiny atao amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra, ny jaboran-tsinainy, DIEM PROTESTANTA Amin’io osy io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany ny jaboran-tsinainy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’io osy io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany ny jaboran-tsinainy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy Malagasy Bible Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy La Bible en Malgache Avy amin’io no hanaterany ny fanatiny atao amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra, ny jaboran-tsinainy, |
Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy, fa atsatsika amin’ny afo daholo, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.
Nahoana aho no nivoaka avy ao an-kibony, hahita fijaliana amam-pahoriana, sy handany ny androko amin’ny fahafaham-baraka!
Hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo amin’ny ôtely.
ny voany roa mbamin’ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany.
Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.
napetrany teo ambonin’ny tratran’izy ireo ny saborany; dia nodoran’i Aarôna hanetona eo ambonin’ny ôtely ny sabora.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo.
Ka hoy Izy tamin’ireo: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.»