Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 27:22 - Baiboly Katolika

«Raha misy olona manokana ho an’i Iaveh ny tany novidiny tsy anisan’ny zara taniny,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha misy manamasina ny tany novidiny, izay tsy ao amin’ny zarataniny, ho an’NY TOMPO,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Raha tany novidina fa tsy zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Raha tany novidina fa tsy zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha misy manamasina ho an’i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin’ny zara-taniny,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha misy manamasina ho an'i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin'ny zara-taniny,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha misy manamasina ny tany novidiny, izay tsy ao amin’ny zarataniny, ho an’NY TOMPO,

Jereo ny toko



Levitikosy 27:22
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary ankamasino ny taona fahadimampolo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany. Fa jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy, samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.


Raha tonga mahantra ny rahalahinao ka ivarotany ny sasany amin’ny taniny, dia ny solony, ny havany akaiky, no ho avy ka hanavotra izay namidin’ny rahalahiny.


«Raha misy olona manamasina ny tranony, manokana azy ho an’i Iaveh, dia hotombanan’ny mpisorona araka ny hatsarany na ny haratsiany ny trano, ka izay tombany ataon’ny mpisorona no harahina.


fa rehefa afaka amin’ny Jobily ny tany dia hatokana ho an’i Iaveh toy ny tany nivoadiana, ka ho tonga fananan’ny mpisorona.


dia hoferan’ny mpisorona izay vidiny, araka ny anombananao azy mandra-piavin’ny taona Jobily, dia haloan’izany olona izany androtr’io ihany izay voafetra ho vidiny, ho zavatra voatokana ho an’i Iaveh.