Levitikosy 27:19 - Baiboly Katolika Raha te hanavotra ny taniny ilay nanokana azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny nanombananao azy, dia hipetraka ho azy ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha tian’ilay nanamasina azy havotana ny tany dia hampiany ny ampahadiminy ny vola nataony tombany ka hijanona ho azy ny taniny. DIEM PROTESTANTA «Raha tian’ny tompony havotana ny taniny, dia ny tombam-bidy tongoavana ampahadimy no haloany; dia hapetraka ho azy ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha tian’ny tompony havotana ny taniny, dia ny tombam-bidy tongoavana ampahadimy no haloany; dia hapetraka ho azy ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha tian’ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy. Malagasy Bible Ary raha tian'ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy. La Bible en Malgache Raha tian’ilay nanamasina azy havotana ny tany dia hampiany ny ampahadiminy ny vola nataony tombany ka hijanona ho azy ny taniny. |
«Raha misy olona manamasina ny tranony, manokana azy ho an’i Iaveh, dia hotombanan’ny mpisorona araka ny hatsarany na ny haratsiany ny trano, ka izay tombany ataon’ny mpisorona no harahina.
fa raha atỳ aorian’ny Jobily kosa no hanokanany ny taniny, dia ho araka ny isan’ny taona sisa mandra-piavin’ny Jobily no hanombanan’ny mpisorona ny vidiny, ka hahenany ny tombany nataonao.