Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 27:18 - Baiboly Katolika

fa raha atỳ aorian’ny Jobily kosa no hanokanany ny taniny, dia ho araka ny isan’ny taona sisa mandra-piavin’ny Jobily no hanombanan’ny mpisorona ny vidiny, ka hahenany ny tombany nataonao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha misy manamasina ny taniny aorianany dia holazain’ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovana ny tombany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha aorian’ny taona Jobily kosa no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny vidiny, ka dia hahenany araka izany ny tombam-bidiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha aorian’ny taona Jobily kosa no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny vidiny, ka dia hahenany araka izany ny tombam-bidiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha misy manamasina ny taniny ao aorian’ny Jobily, dia holazain’ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha misy manamasina ny taniny ao aorian'ny Jobily, dia holazain'ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin'ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha misy manamasina ny taniny aorianany dia holazain’ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovana ny tombany.

Jereo ny toko



Levitikosy 27:18
7 Rohy Ifampitohizana  

hisainy ny taona hatramin’ny nivarotany azy, ka izay ankevitry ny taona sisa no haloany amin’ilay nivarotany azy, dia hody amin’ny taniny indray izy.


«Raha misy olona manamasina ny tranony, manokana azy ho an’i Iaveh, dia hotombanan’ny mpisorona araka ny hatsarany na ny haratsiany ny trano, ka izay tombany ataon’ny mpisorona no harahina.


Raha miantomboka amin’ny taona Jobily no anokanany ny taniny dia io tombany nataony io no arahina,


Raha te hanavotra ny taniny ilay nanokana azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny nanombananao azy, dia hipetraka ho azy ny tany.


dia hoferan’ny mpisorona izay vidiny, araka ny anombananao azy mandra-piavin’ny taona Jobily, dia haloan’izany olona izany androtr’io ihany izay voafetra ho vidiny, ho zavatra voatokana ho an’i Iaveh.