Levitikosy 23:40 - Baiboly Katolika Amin’ny andro voalohany haka voan’ny hazo tsara tarehy ianareo, sampan-drofia, rantsan’ny hazo mikirindro, ary hazo malahelo eny amoron-drenirano, ka hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo mandritra ny hafitoana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny andro voalohany dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, dia sampana palma sy rantsan’ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ny renirano, ho anareo; ary mifalia mandritra ny hafitoana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo. DIEM PROTESTANTA Hatreo amin’ny andro voalohany, dia haka izay voankazo tsara indrindra sy sampan-drofia ary rantsan’ny hazo mikirindro na rantsan’ny hazo malahelo eny amoron-drenirano ianareo, ka haneho hafaliana mandritra ny fito andro eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatreo amin’ny andro voalohany, dia haka izay voankazo tsara indrindra sy sampan-drofia ary rantsan’ny hazo mikirindro na rantsan’ny hazo malahelo eny amoron-drenirano ianareo, ka haneho hafaliana mandritra ny fito andro eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’ny andro voalohany dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan’ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo. Malagasy Bible Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. La Bible en Malgache Amin’ny andro voalohany dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, dia sampana palma sy rantsan’ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ny renirano, ho anareo; ary mifalia mandritra ny hafitoana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo. |
Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy.
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.
Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy. Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, ianareo nitomany azy;
«Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahafito, rehefa manangona ny vokatry ny tany ianareo dia hankalaza ny fetin’i Iaveh, mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany ho fitsaharana lehibe, ny andro fahavalo koa ho fitsaharana lehibe.
Hafitoana isan-taona no hanaovanareo izany fety izany ho fankalazana an’i Iaveh, lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany; amin’ny volana fahafito no hanaovanareo izany.
Be ny vahoaka namelatra ny fitafiany teny amin’ny làlana; ny sasany kosa naka rantsan-kazo dia nampihahaka azy teny an-dalana koa;
ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena Azy sy niantso hoe: «Hôzàna, hohasoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, sy Mpanjakan’i Israely.
Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.
Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
Dia hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo lahy mbamin’ny zanakareo vavy, ary ny ankizy lahy aman’ankizy vavinareo, mbamin’ny Levita izay anatin’ny vavahadinareo, satria tsy mba niara-nandray anjara na lova taminareo izy.
Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.
Fa isika no tena voafora, dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy, sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin’ny nofo.
Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.