Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 23:11 - Baiboly Katolika

Hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hanandratra ny amboara eo anatrehan’NY TOMPO izy mba hankasitrahana anareo; ny ampitson’ny Sabata no hanandratan’ny mpisorona azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hahevahevany eo anatrehako no fomba fanolorana ilay amboara, mba hahazoanareo sitraka amiko; ka ny ampitson’ny sabata no hanevahevàny azy eo anatrehako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hahevahevany eo anatrehako no fomba fanolorana ilay amboara, mba hahazoanareo sitraka amiko; ka ny ampitson’ny sabata no hanevahevàny azy eo anatrehako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan’i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin’ny ampitson’ny Sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hanandratra ny amboara eo anatrehan’NY TOMPO izy mba hankasitrahana anareo; ny ampitson’ny Sabata* no hanandratan’ny mpisorona azy.

Jereo ny toko



Levitikosy 23:11
7 Rohy Ifampitohizana  

Ho eo an-kandrin’i Aarôna izy, mba hitondran’i Aarôna ny heloka rehetra natao tamin’ny zava-masina izay hatokan’ny zanak’i Israely ho fanatitra masina isan-karazany; ary ho eo an-kandriny lalandava izy eo anatrehan’i Iaveh mba hahitan’izy ireo sitraka amin’i Iaveh.


Dia hapetrakao eo amin’ny felatanan’i Aarôna sy amin’ny felatanan’ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.


Eo amin’izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran’ny zanakao, avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny zanak’i Israely.


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo ianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.


Amin’ny andro hanevahevanareo ny amboaram-bary, dia manatera zanak’ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema, hatao sorona ho an’i Iaveh.


Raha efa izany dia nahevahevan’i Aarôna teo anatrehan’i Iaveh ny tratran’ireo amam-peny havanana, ho fanatitra ahevaheva, araka ny nandidian’i Môizy.


Toy izany no nodian’i Nôemì, ary niaraka taminy i Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy amin’ny tanin’i Moaba. Tonga teo Betlehema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana orja.