Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy.
Levitikosy 22:11 - Baiboly Katolika Mahazo mihinana ihany anefa, izay mpanompon’ny mpisorona novidiny vola, toy izany koa izay teraka tao an-tranony; azon’ireny hanina izay fihinany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha misy olona novidin’ny mpisorona dia mahazo mihinana amin’izany ihany izy; ary izay teraka tao an-tranony koa dia mahazo mihinana amin’ny sakafon’ny mpisorona. DIEM PROTESTANTA Fa raha misy mpanompo novidin’ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin’izany ihany izy; toy izany koa, ny mpanompo izay teraka tao an-tranon’ny mpisorona, dia mahazo mihinana izay fihinany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha misy mpanompo novidin’ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin’izany ihany izy; toy izany koa, ny mpanompo izay teraka tao an-tranon’ny mpisorona, dia mahazo mihinana izay fihinany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha misy olona novidin’ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin’izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin’ny fihinan’ny mpisorona koa. Malagasy Bible Fa raha misy olona novidin'ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin'izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin'ny fihinan'ny mpisorona koa. La Bible en Malgache Fa raha misy olona novidin’ny mpisorona dia mahazo mihinana amin’izany ihany izy; ary izay teraka tao an-tranony koa dia mahazo mihinana amin’ny sakafon’ny mpisorona. |
Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy.
Tsy maintsy foràna avokoa ny lehilahy, na ny teraka ao an-trano, na ny novidim-bola, ka dia ho eo amin’ny nofonareo ny fanekeko, ho fanekena mandrakizay.
Azony hanina ihany ny mofon’ny Andriamaniny, ny zava-masina dia masina, ny zava-masina.
Tsy hihinana ny navahana tamin’ny zava-masina ny zanaka vavin’ny mpisorona, nanambady olon-kafa.
Izao no ho anjaranao amin’ny zava-masina indrindra, ialan’izay holevonin’ny afo: ny zavatra hatolony rehetra, izany hoe ny fanatiny rehetra, ny sorona rehetra noho ny ota, ny sorom-panonerana rehetra hatolony ho Ahy; izany rehetra izany izay zava-masina indrindra, dia ho anao sy ny zanakao.