Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 20:7 - Baiboly Katolika

Hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa hamasino ny tenanareo ary aoka ho masina ianareo; fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Manokàna tena ho Ahy ianareo, ary aoka ho masina fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Manokàna tena ho Ahy ianareo, ary aoka ho masina fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia manamasìna ny tenanareo hianareo, ka aoka ho masina hianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia manamasina ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masina ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa hamasino ny tenanareo ary aoka ho masina ianareo; fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko



Levitikosy 20:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo, ka hanamasina ny tenanareo ianareo dia ho masina satria masina Aho; aza mandoto ny tenanareo amin’izay biby rehetra mandady amin’ny tany.


Fa Izaho no Iaveh nampiakatra anareo avy amin’ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Aoka ho masina ianareo satria masina Aho.


Mitenena amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, lazao aminy hoe: Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, Iaveh Andriamanitrareo.


Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin’ny fireneny izy, fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»


Fa tsy handroso amin’ny efitra lamba izy, tsy hanatona ny ôtely, satria manan-kilemam-batana izy; tsy handoto ny toerako masina, fa Izaho no Iaveh manamasina azy ireo.


Hataonao masina izy, fa manolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina Aho Iaveh, izay manamasina anareo.


sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,


Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.


fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra: dia ny hifadianareo ny fijangajangana,


satria tsy ho amin’ny fahalotoana, fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.


Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.


Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Tsy mahatompo an’i Iaveh ianareo, fa Izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro; tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo.


Ary hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Hamasino ny tenanareo, fa hanao fahagagana eo afovoanareo i Iaveh rahampitso.»