Aza manokatra ny fitanjahan’ny vehivavy aman-janany vavy, aza maka ny zanaka vavin’ny zanany lahy, na ny zanaka vavin’ny zanany vavy, mba hanokatra ny fitanjahany, fa mpihavana akaiky izy, ka mahameloka.
Levitikosy 20:14 - Baiboly Katolika Raha misy lehilahy mampirafy vehivavy mianaka, dia heloka be vava izany, ka samy hodorana amin’ny afo izy sy iretsy vehivavy, mba tsy hisian’izany heloka izany eo aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ny afo izy telo mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo. DIEM PROTESTANTA «Raha misy lehilahy manambady vehivavy mianaka, dia fanambadiana mampifamotitra izany; ka samy hodorana izy telo, mba hisakanana ny fisian’izany haratsiam-pitondrantena izany eo aminareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha misy lehilahy manambady vehivavy mianaka, dia fanambadiana mampifamotitra izany; ka samy hodorana izy telo, mba hisakanana ny fisian’izany haratsiam-pitondrantena izany eo aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo. Malagasy Bible Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin'ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo. La Bible en Malgache Raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ny afo izy telo mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo. |
Aza manokatra ny fitanjahan’ny vehivavy aman-janany vavy, aza maka ny zanaka vavin’ny zanany lahy, na ny zanaka vavin’ny zanany vavy, mba hanokatra ny fitanjahany, fa mpihavana akaiky izy, ka mahameloka.
Raha zanaka vavin’ny mpisorona no manala barà-tena mijangajanga, dia manala baraka an-drainy izy, ka hodorana amin’ny afo.»
satria iriny mafy ny hahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny Anarako masina;
Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny rafozam-baviny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
ary izay voatana ho azon’ny anatema dia hodorana amin’ny afo, izy mbamin’izay rehetra mety ho azy; satria mivadika ny faneken’i Iaveh sy manao izay fady indrindra amin’i Israely.»
Dia hoy i Jôsoe: «Nahoana no dia nampikorontana anay ianao? Mba hokorontanin’i Iaveh koa ianao.» Dia nitora-bato azy i Israely rehetra. Nodorana tamin’ny afo izy ireo ary notoraham-bato,