ka nivily nanitsy azy teny amin’ny lalana izy, dia nanao hoe: «Aoka mba handeha aminao aho.» Fa tsy fantany hoe vinantony io. Dia hoy ravehivavy: «Omenao inona aho, raha mandeha amiko ianao?»
Levitikosy 20:12 - Baiboly Katolika Raha misy lehilahy mandry amin’ny vinanto vaviny, dia hohelohin-ko faty izy roaroa, fa nanao zava-mahamenatra; ka dia amin’izy ireo ny rany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy lehilahy mandry amin’ny vinantovaviny dia hovonoina ho faty izy roa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy ireo; koa ny rany dia ho aminy ihany. DIEM PROTESTANTA «Raha misy lehilahy miray amin’ny vinantovaviny, dia samy hatao maty tokoa izy roroa satria firaisana mifamotitra izany, ka hozakain’izy roroa ny ho faty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha misy lehilahy miray amin’ny vinantovaviny, dia samy hatao maty tokoa izy roroa satria firaisana mifamotitra izany, ka hozakain’izy roroa ny ho faty. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy lehilahy mandry amin’ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny rany dia ho aminy ihany. Malagasy Bible Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany. La Bible en Malgache Raha misy lehilahy mandry amin’ny vinantovaviny dia hovonoina ho faty izy roa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy ireo; koa ny rany dia ho aminy ihany. |
ka nivily nanitsy azy teny amin’ny lalana izy, dia nanao hoe: «Aoka mba handeha aminao aho.» Fa tsy fantany hoe vinantony io. Dia hoy ravehivavy: «Omenao inona aho, raha mandeha amiko ianao?»
Ary hoy izy: «Inona no antoka homeko anao?» Dia hoy izy: «Ny peratrao sy ny kofehinao ary iny tehina an-tananao iny.» Nomeny azy izany, dia nandeha taminy izy, ka nanana anaka taminy ravehivavy.
«Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavela izy ka maty, dia tsy misy valin-dra amin’izany;
Aza manokatra ny fitanjahan’ny vinanto vavinao, fa vadin-janakao izy. Aza manokatra ny fitanjahany.
Aza mandry amin’ny biby handoto tena aminy. Aoka ny vehivavy tsy hijanona eo anoloan’ny biby handoto tena aminy, fa zava-mahamenatra izany.
Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny rafozam-baviny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.