kanjo nanana anaka ravehivavy, ka naniraka hilaza amin’i Davida hoe: «Manana anaka aho.»
Levitikosy 20:10 - Baiboly Katolika Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay lehilahy mijangajanga amin’ny vadin’olona, dia izay mijangajanga amin’ny vadin’ny namany dia hovonoina ho faty, na izy lehilahy nijangajanga izany na ilay vehivavy nijangajangany. DIEM PROTESTANTA «Raha misy lehilahy maka ny vadin’ny mpiray firenena aminy, dia samy hatao maty tokoa na ralehilahy mpaka vadin’olona na ravehivavy nalainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha misy lehilahy maka ny vadin’ny mpiray firenena aminy, dia samy hatao maty tokoa na ralehilahy mpaka vadin’olona na ravehivavy nalainy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ny vadin’olona, dia izay mijangajanga amin’ny vadin’ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy. Malagasy Bible Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy. La Bible en Malgache Izay lehilahy mijangajanga amin’ny vadin’olona, dia izay mijangajanga amin’ny vadin’ny namany dia hovonoina ho faty, na izy lehilahy nijangajanga izany na ilay vehivavy nijangajangany. |
kanjo nanana anaka ravehivavy, ka naniraka hilaza amin’i Davida hoe: «Manana anaka aho.»
Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: «Nanota tamin’i Iaveh aho!» Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: «Navelan’i Iaveh ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.
fa misy lehilahy hafa miray aminy, nefa zavatra miafina amin’ny mason’ny lahy izany, fa mangingina no anaovan-dravehivavy fahalotoana, tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy,
«Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao. Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na izay mety ho an’ny namanao.