Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 2:15 - Baiboly Katolika

Handrarahanao diloilo eo amboniny ary hampianao emboka; fanatitra izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hasianao diloilo izany sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra avy amin’ny zavamaniry izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia handrarahanao menaka sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny: fanatitra vokatry ny tany izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia handrarahanao menaka sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny: fanatitra vokatry ny tany izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hasianao diloilo izany sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra avy amin’ny zavamaniry izany.

Jereo ny toko



Levitikosy 2:15
7 Rohy Ifampitohizana  

Mofo tsy misy lalivay, mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo mamy manify tsy misy lalivay voatondraka diloilo, ka lafarinam-barim-bazaha tsara indrindra no hanaovana azy.


Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Makà zava-manitra, ditin-kazo, ongila mani-pofona, galbanôma, zava-manitra sy emboka tsy mifaho zavatra hafa, izany rehetra izany ampitovio fatra.


«Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.


«Raha fanatitra atao santa-bokatra no entinao amin’i Iaveh, dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, lango voatoto, no haterinao ho fanatitra hatao santa-bokatrao.


Ny sasany amin’ny vary voatoto sy ny diloilo ary ny emboka rehetra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona ho fahatsiarovana. Sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»


Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na ampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.


izay hanao ny fanatitra ho an’i Iaveh, dia hanolotra lafarina tsara indrindra ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo ampahefatry ny hina, hatao fanatitra,