Levitikosy 19:16 - Baiboly Katolika Aza manely fanaratsiana eo amin’ny firenenao. Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ran’ny namanao. Izaho no Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza mandehandeha manaratsy ny mpiaramonina aminao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no TOMPO. DIEM PROTESTANTA Aza manely fanendrikendrehana olona eo amin’ny mpiray firenena aminareo. Aza mitsangan-ko vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namanareo ho faty. Izaho no TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza manely fanendrikendrehana olona eo amin’ny mpiray firenena aminareo. Aza mitsangan-ko vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namanareo ho faty. Izaho no TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no Jehovah. Malagasy Bible Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah. La Bible en Malgache Aza mandehandeha manaratsy ny mpiaramonina aminao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no TOMPO. |
Hofongorako, ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina. Ny olona misolanandrana sy bontsinin’ny hambom-po, tsy ho tohako.
Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.
Mipetraka ianao, dia miteny mamely ny rahalahinao, sady manala baraka ny zanakalahin-dreninao.
«Aza manely tsaho tsy marina. Aza manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka.
Fadio ny ady tsy marina ka aza mamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina, fa tsy hamela ny meloka Aho.
Ny mpifosa manambara ny zavatra afenina; fa ny olona mahatoky kosa, mitana izany tsy hiseho.
Izay mamafy fifosana manambara zavatra miafina; ka ialao tsara rehefa olona miteniteny lava.
Mpiodina raha samy mpiodina izy rehetra; mamafy fanendrikendrehana; varahina sy vy izy ireo; ary samy efa simba avokoa.
Izy rehetra rehetra samy mifamitaka; tsy mba milaza ny marina; mampiasa lela mandainga, misahirana hanao ratsy.
Ao aminao, misy olona manendrikendrika, mba handatsa-dra; ao aminao, misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao anatinao, misy manao heloka be vava.
nanao hoe: «Nanota aho, fa nanolotra ny Ra marina.» «Ahoanay izany? hoy ireo, fa asanao.»
Aoka ho voaozona izay mandray kolikoly mba hamono aina, dia ny ra tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Toy izany koa ny vadiny, dia aoka ho olona manaja tena, tsy mpifosa, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy,
amin’ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara,
Ary hoy i Davida tamin’i Saola hoe: «Nahoana ianao no dia maka ny vavan’olona hoe: ‹Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida?›