Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 18:9 - Baiboly Katolika

Aza manokatra ny fitanjahan’ny anabavinao, zana-drainao na zana-dreninao, teraka tao an-trano na teraka tany ivelany; aza manokatra ny fitanjahany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aza mandry amin’ny anabavinao, izay zanaky ny rainao na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Aza miray amin’ny anabavinao zanakavavy nentin-drainao na nentin-dreninao, ka nobeazina tao an-trano fonenana na tany an-kafa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Aza miray amin’ny anabavinao zanakavavy nentin-drainao na nentin-dreninao, ka nobeazina tao an-trano fonenana na tany an-kafa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Aza mandry amin’ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aza mandry amin’ny anabavinao, izay zanaky ny rainao na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.

Jereo ny toko



Levitikosy 18:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Ny iray, manao fahavetavetana amin’ny vadin’ny namany; ny iray hafa, mifotitra mandoto ny vinantovaviny ao aminao; ary misy koa mametaveta ny anabaviny zanaka vavin-drainy.


Aza manokatra ny fitanjahan’ny zanaka vavin’ny zanakao lahy na ny zanaka vavin’ny zanakao vavy, fa fitanjahanao izany.


Aza manokatra ny fitanjahan’ny zanaka vavin’ny vadin-drainao natera-drainao, fa anabavinao izy.


Raha misy lehilahy maka ny anabaviny zanaka vavin-drainy, na zanaka vavin-dreniny ka izy nahita ny fitanjahany, ravehivavy koa nahita ny fitanjahany, dia haratsiana lozan-tany izany, ka hofongorana eo imason’ny taranaky ny fireneny izy, fa nanokatra ny fitanjahan’ny anabaviny, ka hilonjy ny helony.


Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany, na zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.