«Ny an’ny zanak’i Aarôna dia tonîka no ataovy ho azy ireo, ary anaovy fehikibo sy mitra koa izy, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingoany.»
Levitikosy 16:24 - Baiboly Katolika dia handro amin’ny rano izy, vao hiakanjo ny fanamiana indray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia handro amin’ny rano eo amin’ny fitoerana masina iray izy ka hitafy ny fitafiany, dia handeha izy ka hanatitra ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny olona ary hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny olona izy. DIEM PROTESTANTA Handro ao amin’ny faritra anankiray voatokana ho an’izany izy, dia hiakanjo fitafiana hafa; ary hiainga hanolotra ny sorona dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny sorona dorana manontolo ho an’ny vahoaka izy ka hanatontosa ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Handro ao amin’ny faritra anankiray voatokana ho an’izany izy, dia hiakanjo fitafiana hafa; ary hiainga hanolotra ny sorona dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny sorona dorana manontolo ho an’ny vahoaka izy ka hanatontosa ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Dia handro amin’ny rano eo amin’izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an’ny olona ka hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny olona. Malagasy Bible Dia handro amin'ny rano eo amin'izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an'ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an'ny olona ka hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny olona. La Bible en Malgache Dia handro amin’ny rano eo amin’ny fitoerana masina iray izy ka hitafy ny fitafiany, dia handeha izy ka hanatitra ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny tenany sy ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny olona ary hanao fanavotana ho an’ny tenany sy ny olona izy. |
«Ny an’ny zanak’i Aarôna dia tonîka no ataovy ho azy ireo, ary anaovy fehikibo sy mitra koa izy, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingoany.»
«Hampiakanjoinao i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany koa, hosoranao izy, hatokanao izy, ho hamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana Ahy.
Rehefa tafiditra ao ny mpisorona dia tsy hiala ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho ao amin’ny kianja ivelany, raha tsy efa navelany ao ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana; fa masina izany fitafiana izany. Miova fitafiana aloha izy, vao manatona mankao amin’ny raharaha momba ny vahoaka.»
Amin’ny andro fahafito hoharatany avokoa ny volon-kodiny rehetra, ny volon-dohany, ny volombavany, ny manja-masony, hoharatany ny volon-kodiny rehetra; ary hosasany ny fitafiany, hampandroiny amin’ny rano ny tenany, dia hadio izy.
Izay izy vao hivoaka hanolotra ny sorona dorana sy ny an’ny vahoaka, hanao ny fanonerana ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka, ary hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely ny saboran’ny sorona noho ny ota.
haloto mandra-paharivan’ny andro izay nikasika ireo zavatra ireo, ka tsy hihinana ny zava-masina, handro amin’ny rano izy,
Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Manatòna ny ôtely ka atolory ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, ka manaova ny fanonerana ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka; atolory koa ny fanatitry ny vahoaka, ary manaova ny fanonerana ho azy araka ny nandidian’i Iaveh.»
fa naman’ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-piavin’ny andro fanoloana azy ihany.