Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 16:23 - Baiboly Katolika

«Ary i Aarôna hiditra amin’izay ao an-trano lay fihaonana: havelany ny fanamiana rongony niakanjoany hoentiny miditra ao amin’ny fitoerana masina, ka rehefa voapetrany ao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana i Arona, hanala ireo fitafiany vita amin’ny lamba rongony izay niakanjoany raha niditra ao amin’ny fitoerana masina izy ka havelany ao izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana i Aharôna ka hanala sy hametraka ny fanamiana vita kiran-drongony fotsy, izay niakanjoany tamin’izy niditra tao amin’ny Toeramasina Indrindra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana i Aharôna ka hanala sy hametraka ny fanamiana vita kiran-drongony fotsy, izay niakanjoany tamin’izy niditra tao amin’ny Toeramasina Indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hiditra ao amin’ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin’ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hiditra ao amin'ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin'ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana i Arona, hanala ireo fitafiany vita amin’ny lamba rongony izay niakanjoany raha niditra ao amin’ny fitoerana masina izy ka havelany ao izany.

Jereo ny toko



Levitikosy 16:23
8 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tafiditra ao ny mpisorona dia tsy hiala ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho ao amin’ny kianja ivelany, raha tsy efa navelany ao ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana; fa masina izany fitafiana izany. Miova fitafiana aloha izy, vao manatona mankao amin’ny raharaha momba ny vahoaka.»


Rehefa mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany kosa izy, ho eo amin’ny kianja ivelany manatona ny vahoaka, dia hoesoriny ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana ka havelany ao amin’ny efitranon’ny fitoerana masina; ary fitafiana hafa no hanaovany, fa tsy hanamasina ny vahoaka amin’ny fitafiany izy.


Dia hoentin’ity osy lahy amin’ny tenany ho any amin’ny tany tsy misy mponina ny otan’izy rehetra, ka halefan’ilay olona any an’efitra ny osy lahy.


Ny tonîka masina vita amin’ny rongony madinika no hiakanjoany, kalisaona rongony madinika no hataony manolo-koditra, fehinkibo rongony madinika no hietràny ary hamama rongony madinika no hisatrohany; ireo fanamiana masina ireo no hitafiany rehefa avy nandro tamin’ny rano izy.


Ny lahy rehetra amin’ny zanak’i Aarôna no hihinana an’izany. Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany, ny amin’ny fanatitra atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Ho masina izay rehetra mikasika izany.


Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,


no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.