Dia hapetrakao eo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana; ary hapetrakao ao anatin’ny fiara ny vavolombelona izay homeko anao.
Levitikosy 16:13 - Baiboly Katolika Hataony eo ambonin’ny afo, eo anatrehan’i Iaveh ny zava-manitra, mba ho voasaron’ny setroky ny zava-manitra ny fanaovam-panavotana, eo ambonin’ny vavolombelona, mba tsy hahafaty azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hataony eo amin’ny afo eo anatrehan’NY TOMPO ny ditin-kazo ka hosaronan’ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny Vavolombelona mba tsy hahafaty azy. DIEM PROTESTANTA Eo anatrehan’ny TOMPO eo i Aharôna no hanisy ditin-kazo manitra eo ambonin’ny vain’afo ka hosaronan’ny setrok’izany ilay rakotra volamena eo ambonin’ny Fanekempihavanana mba tsy hahafaty an’i Aharôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eo anatrehan’ny TOMPO eo i Aharôna no hanisy ditin-kazo manitra eo ambonin’ny vain’afo ka hosaronan’ny setrok’izany ilay rakotra volamena eo ambonin’ny Fanekempihavanana mba tsy hahafaty an’i Aharôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hataony eo amin’ny afo eo anatrehan’i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan’ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin’ny Vavolombelona. mba tsy hahafaty azy. Malagasy Bible Ary hataony eo amin'ny afo eo anatrehan'i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan'ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin'ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy. La Bible en Malgache Hataony eo amin’ny afo eo anatrehan’NY TOMPO ny ditin-kazo ka hosaronan’ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny Vavolombelona mba tsy hahafaty azy. |
Dia hapetrakao eo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana; ary hapetrakao ao anatin’ny fiara ny vavolombelona izay homeko anao.
Ireo no hoentin’i Aarôna sy ny zanany, na hiditra eo amin’ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin’ny ôtely hanao ny Fanompoam-pivavahana eo amin’ny Fitoerana Masina. Ary amin’izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an’i Aarôna sy ny taranany mandimby azy.»
Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin’izany, na ho fatin’ny fanamavoan’ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy.»
Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy, mbamin’i Môizy sy i Aarôna.
Rahampitso dia hasianareo afo ireo, ary zava-manitra no hataonareo eo amboniny, eo anatrehan’i Iaveh: izay hofidin’i Iaveh dia izay no masina. Ka aoka izay ry zanak’i Levỳ.»
Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.
fa ny Levita kosa dia tsy hiditra hijery ny zavatra masina, na dia indray mipỳ maso aza, fandrao maty izy.
I Jakôba, ampianariny ny fitsipikao, ary i Israely ny lalànao. Manolotra ny emboka manitra eo amin’ny vavoronao izy, sy ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtelinao.
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny.