Amin’ny andro fahavalo haka domohina roa izy, na vanto-boromahailala roa, ka hitondra ireo amin’ny mpisorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.
Levitikosy 15:30 - Baiboly Katolika Dia hatolotry ny mpisorona ireo: ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, noho ny fitsihana izay nahaloto azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia haterin’ny mpisorona ny iray hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray hatao fanatitra dorana manontolo; dia hanao fanavotana ho an’i Ravehivavy eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy. DIEM PROTESTANTA Dia hanolotra ireo ny mpisorona, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hataon’ny mpisorona ho an-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany nahaloto azy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hanolotra ireo ny mpisorona, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hataon’ny mpisorona ho an-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany nahaloto azy.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia haterin’ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy. Malagasy Bible Dia haterin'ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy. La Bible en Malgache Dia haterin’ny mpisorona ny iray hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray hatao fanatitra dorana manontolo; dia hanao fanavotana ho an’i Ravehivavy eo anatrehan’NY TOMPO ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy. |
Amin’ny andro fahavalo haka domohina roa izy, na vanto-boromahailala roa, ka hitondra ireo amin’ny mpisorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.
Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.