Ny fitafiany rehetra sy ny hoditra voakasik’izany koa hosasana amin’ny rano sy haloto mandra-paharivan’ny andro.
Levitikosy 15:16 - Baiboly Katolika Raha misy lehilahy mandeha rano maloto, dia hampandro amin’ny rano ny tenany manontolo, ary haloto izy mandra-paharivan’ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha miala amin’ny lehilahy ny tsirinainy dia hanasa ny tenany rehetra amin’ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ny andro; DIEM PROTESTANTA «Raha misy lehilahy mandefa lahinaina tsy nahy amin’ny alina, dia hampandro ny tenany manontolo izy sady haloto mandra-paharivan’ny andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha misy lehilahy mandefa lahinaina tsy nahy amin’ny alina, dia hampandro ny tenany manontolo izy sady haloto mandra-paharivan’ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha miala amin’ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin’ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ny andro; Malagasy Bible Ary raha miala amin'ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro; La Bible en Malgache Raha miala amin’ny lehilahy ny tsirinainy dia hanasa ny tenany rehetra amin’ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ny andro; |
Ny fitafiany rehetra sy ny hoditra voakasik’izany koa hosasana amin’ny rano sy haloto mandra-paharivan’ny andro.
Raha misy vehivavy nandry tamin-dehilahy sy niray taminy, dia handro amin’ny rano izy sy ralehilahy, ary haloto izy ireo mandra-paharivan’ny andro.»
Izay mikasika ny fandriany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
Ny olona rehetra amin’ny taranak’i Aarôna, izay azon’ny habokana na marary mitsîka dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Torak’izany koa izay nikasika olona voaloto, nikasika fasika, izay nandeha rano maloto,
Noho isika manana ireo teny fampanantenana ireo àry, ry malala, dia aoka isika hanadio tena ho afaka amin’ny lotom-panahy amam-batana rehetra, ary hanatanteraka ny fanamasinan-tena amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.