Dia hovonoiny ny sorona dorana, hatolony eo ambonin’ny ôtely miaraka amin’ny fanatitra, ka hanao ny fanonerana ho an’izany olona izany izy, dia hadio ilay olona.
Levitikosy 14:9 - Baiboly Katolika Amin’ny andro fahafito hoharatany avokoa ny volon-kodiny rehetra, ny volon-dohany, ny volombavany, ny manja-masony, hoharatany ny volon-kodiny rehetra; ary hosasany ny fitafiany, hampandroiny amin’ny rano ny tenany, dia hadio izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany izany na ny volombavany na ny volomasony; eny ny volony rehetra dia hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano dia hadio. DIEM PROTESTANTA Amin’ny andro fahafito, dia hoharatany avokoa ny volo eo amin’ny tenany, na volon-doha na somotra na manjamaso na volo hafa rehetra; ary hanasa fitafiana izy sady handro amin’ny rano, dia hadio. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’ny andro fahafito, dia hoharatany avokoa ny volo eo amin’ny tenany, na volon-doha na somotra na manjamaso na volo hafa rehetra; ary hanasa fitafiana izy sady handro amin’ny rano, dia hadio. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano, dia hadio izy. Malagasy Bible Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy. La Bible en Malgache Amin’ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany izany na ny volombavany na ny volomasony; eny ny volony rehetra dia hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ny rano dia hadio. |
Dia hovonoiny ny sorona dorana, hatolony eo ambonin’ny ôtely miaraka amin’ny fanatitra, ka hanao ny fanonerana ho an’izany olona izany izy, dia hadio ilay olona.
Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.
Raha misy olona maty tampoka eo anilany, ka voaloto ny lohany voahasina dia hoharatany ny lohany amin’ny fandiovany azy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy.
Fafazo rano fanonerana izy: aoka izy hanaratra ny tenany rehetra sy hanasa ny fitafiany, dia hidio izy.
dia ento miditra ao anatin’ny tranonao izy. Amin’izay ny lohany haratany, ny hohony halany,