Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 14:8 - Baiboly Katolika

Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volony rehetra ary handro amin’ny rano ka hadio; ary rehefa afaka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy hafitoana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hanasa fitafiana ilay diovina, sy hanaratra ny volo rehetra eo amin’ny tenany ary handro amin’ny rano, dia hadio. Hiditra ao an-toby izy aorian’izany, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy mandritra ny fito andro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hanasa fitafiana ilay diovina, sy hanaratra ny volo rehetra eo amin’ny tenany ary handro amin’ny rano, dia hadio. Hiditra ao an-toby izy aorian’izany, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy mandritra ny fito andro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin’ny rano, ka hadio izy; ary rehefa afaka izany, dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ny lainy hafitoana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volony rehetra ary handro amin’ny rano ka hadio; ary rehefa afaka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy hafitoana.

Jereo ny toko



Levitikosy 14:8
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia boka hatramin’ny andro nahafatesany i Oziasa mpanjaka, ka nitoetra an-trano manirery, amin’ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon’i Iaveh. I Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon’ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.


Dia nidina avy any an-tendrombohitra i Môizy nankeo amin’ny vahoaka ka nanamasina azy, ary nanasa ny fitafiany izy ireo.


ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.


Dia hovonoiny ny sorona dorana, hatolony eo ambonin’ny ôtely miaraka amin’ny fanatitra, ka hanao ny fanonerana ho an’izany olona izany izy, dia hadio ilay olona.


Amin’ny andro fahafito hoharatany avokoa ny volon-kodiny rehetra, ny volon-dohany, ny volombavany, ny manja-masony, hoharatany ny volon-kodiny rehetra; ary hosasany ny fitafiany, hampandroiny amin’ny rano ny tenany, dia hadio izy.


Rehefa sitrana amin’ny fitsihany ilay marary mitsîka, hanisa andro fito aloha amin’ny fidiovany, vao hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano velona, dia hadio.


Nasain’i Môizy nanatona i Aarôna sy ny zanany, ka nodioviny tamin’ny rano.


Raha misy olona maty tampoka eo anilany, ka voaloto ny lohany voahasina dia hoharatany ny lohany amin’ny fandiovany azy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy.


Fafazo rano fanonerana izy: aoka izy hanaratra ny tenany rehetra sy hanasa ny fitafiany, dia hidio izy.


dia ento miditra ao anatin’ny tranonao izy. Amin’izay ny lohany haratany, ny hohony halany,


Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,


Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.