Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 14:5 - Baiboly Katolika

Ny iray amin’ireo vorona no hasain’ny mpisorona vonoina eo ambony vilany tany misy rano avy amin’ny rano velona;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

koa ny vorona iray dia hasainy hovonoina eo ambonin’ny vilany tany izay misy rano, eo ambonin’ny rano mandeha.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny vorona anankiray dia hampamonoin’ny mpisorona eo ambony vilany tanimanga nasiana rano avy amina loharano;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny vorona anankiray dia hampamonoin’ny mpisorona eo ambony vilany tanimanga nasiana rano avy amina loharano;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin’ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ny rano mandeha;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

koa ny vorona iray dia hasainy hovonoina eo ambonin’ny vilany tany izay misy rano, eo ambonin’ny rano mandeha.

Jereo ny toko



Levitikosy 14:5
8 Rohy Ifampitohizana  

dia hodidian’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina ny vorona roa velona sady madio, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa.


Dia hovonoiny eo ambony vilany tany, ambony rano velona, ny vorona iray.


vao halainy ilay vorona sisa velona, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa, hatsobony mbamin’ny velona ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina eo ambonin’ny rano velona,


dia haka rano masina amin’ny lovia tany ny mpisorona ka hasiany vovoka nalainy avy amin’ny tanin’ny Fonenana ny rano.


Fa nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana aza Izy noho ny fahalemena, dia velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Toy izany koa izahay, na dia malemy ao aminy aza, dia hiara-belona aminy koa; ka hahery ao aminareo, noho ny herin’Andriamanitra.


Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay.


Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.


Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa Izy, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly,