Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha Aminao. Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina Izy.
Levitikosy 14:25 - Baiboly Katolika Ary rehefa avy namono ny zanak’ondry hatao sorona fanonerana ny mpisorona, dia hangalany ny ra avy amin’ny sorona fanonerana, hatentiny amin’ilay midio eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hovonoina ny zanak’ondry izay hatao fanati-panonerana ary hakan’ny mpisorona ny ran’ny fanati-panonerana ka hohosorany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana. DIEM PROTESTANTA Hovonoin’ny mpisorona io zanakondrilahy sorom-panonerana io, dia hangalany ny rany mba hanentenany an’ilay diovina dia hatentiny eo amin’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hovonoin’ny mpisorona io zanakondrilahy sorom-panonerana io, dia hangalany ny rany mba hanentenany an’ilay diovina dia hatentiny eo amin’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hovonoina ny zanak’ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan’ny mpisorona ny ran’ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ny ravin-tsofina ankavanan’ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; Malagasy Bible Dia hovonoina ny zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; La Bible en Malgache Dia hovonoina ny zanak’ondry izay hatao fanati-panonerana ary hakan’ny mpisorona ny ran’ny fanati-panonerana ka hohosorany ny ravin-tsofina havanan’ilay hodiovina sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana. |
Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha Aminao. Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina Izy.
Ianao hamono ny ondralahy dia haka amin’ny rany, ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aarôna, sy amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany ankavanana, mbamin’ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin’ny ôtely ny ra.
Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany; ka aoka ho vitsy teny ianao.
Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.
izay vao namono azy i Môizy, dia naka tamin’ny rany, nanentenany ny tendron-dravintsofin’i Aarôna ankavanana, ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.