amin’ny kofehy rongony na volon’ondry, hatao tenany na fahany, amin’ny hoditra na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra,
Levitikosy 13:49 - Baiboly Katolika raha maitsomaitso na menamena ny fery eo amin’ny fitafiana, na amin’ny hoditra, na amin’ny kofehy hatao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, dia fery habokana izany, ka haseho ny mpisorona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 raha maitsomaitso na menamena eo amin’ny fitafiana ny aretina, na eo amin’ny hoditra na eo amin’ny tenony na eo amin’ny fahany, na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia toy ny habokana izany ka haseho amin’ny mpisorona. DIEM PROTESTANTA Raha maitsomaitso na menamena ny holatra amin’ireo, dia bobongolo tokony haseho amin’ny mpisorona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha maitsomaitso na menamena ny holatra amin’ireo, dia bobongolo tokony haseho amin’ny mpisorona. Baiboly Protestanta Malagasy raha maitsomaitso na menamena eo amin’ny fitafiana ny aretina, na eo amin’ny hoditra, na eo amin’izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’izay zavatra natao tamin’ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin’ny mpisorona. Malagasy Bible raha maitsomaitso na menamena eo amin'ny fitafiana ny aretina, na eo amin'ny hoditra, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin'ny mpisorona. La Bible en Malgache raha maitsomaitso na menamena eo amin’ny fitafiana ny aretina, na eo amin’ny hoditra na eo amin’ny tenony na eo amin’ny fahany, na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia toy ny habokana izany ka haseho amin’ny mpisorona. |
amin’ny kofehy rongony na volon’ondry, hatao tenany na fahany, amin’ny hoditra na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra,
Rehefa voazahan’ny mpisorona ny fery, dia hatokany toerana hafitoana ilay zavatra voa.
Dia hozahan’ny mpisorona ilay fery, ka raha hitany fa misy lavaka maitsomaitso na menamena izay toa tafalentika amin’ny rindrina, ao amin’ny fery, eo amin’ny rindrin-trano,
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.»
Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy; «fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, hoy Izy, ary manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.»