Fa amin’ny lohan’i Jôaba sy ny ankohonan-drainy rehetra anie izany: ka tsy ho tapaka eo amin’ny fianakavian’i Jôaba ny marary mitsi-dra na boka, na mampandihy ampela na lavon-tsabatra, na tsy ampy hanina.»
Levitikosy 13:46 - Baiboly Katolika Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny. Maloto izy ka hitokana irery, any ivelan’ny toby. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny andro rehetra izay aharariany amin’izany aretina izany dia haloto izy: Eny, maloto izy ka hitoetra mitokana ary eny ivelan’ny toby no toerana hipetrahany. DIEM PROTESTANTA Mandritra ny andro rehetra handotoan’ny fery an’ilay olona, dia maloto izy, ka hitoetra mitokana any ivelan’ny toby. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mandritra ny andro rehetra handotoan’ny fery an’ilay olona, dia maloto izy, ka hitoetra mitokana any ivelan’ny toby. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’ny andro rehetra izay haharariany amin’izany aretina izany dia haloto izy: eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan’ny toby no hitoerany. Malagasy Bible Amin'ny andro rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany. La Bible en Malgache Amin’ny andro rehetra izay aharariany amin’izany aretina izany dia haloto izy: Eny, maloto izy ka hitoetra mitokana ary eny ivelan’ny toby no toerana hipetrahany. |
Fa amin’ny lohan’i Jôaba sy ny ankohonan-drainy rehetra anie izany: ka tsy ho tapaka eo amin’ny fianakavian’i Jôaba ny marary mitsi-dra na boka, na mampandihy ampela na lavon-tsabatra, na tsy ampy hanina.»
Ary i Iaveh namely ny mpanjaka, ka boka hatramin’ny andro nahafatesany izy, ka nitoetra tamin’ny trano manirery. Fa i Joatama zanaky ny mpanjaka no nanapaka tao an-trano sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.
Teo anoloan’ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: «Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?
Dia boka hatramin’ny andro nahafatesany i Oziasa mpanjaka, ka nitoetra an-trano manirery, amin’ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon’i Iaveh. I Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon’ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.
Ahoana re no mitoetra manirery ity, ilay tanàna be olona! Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin’ny firenena! izy izay mpanjaka vavy eo amin’ny faritany, natao mpandoa hetra.
Nampitombo ny fahotany i Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho.
«Mitanilà! Maloto e!» hoy ny antsoantson’ny olona, «Mitanilà ianareo! Mitanilà ianareo! Aza mikasika azy.» Nirenireny atsỳ sy arỳ, ka hoy ny olona any amin’ny firenena: Aoka tsy hitoetra atỳ ireny!
Hoentina ho ao amin’ny mpisorona izy, dia hivoaka ny toby ny mpisorona hizaha azy. Ka raha sitrana ny ferin’ny habokan’ilay boka,
Hofongorana amin’ny fireneny ny olona rehetra tsy nampijaly tena amin’izany andro izany;
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy, izay nijanona teny lavidavitra teny.
dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.
Raha misy tsy manaiky ny teninay amin’ity taratasy ity, dia mariho izy, ka aza mikambakambana aminy intsony mba hahamenatra azy.
Mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin’ny namana rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.
fifanoherana tsy misy farany, fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena.
ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany.
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.